Raha feno ny kaonty Gmail

Betsaka ireo mitaraina fa feno ny kaonty email Gmail 15 Go ka ito misy torohevitra fohifohy mety ho azo atao vahaolana amin’izany. Voalohany indrindra aloha dia tsy tokony ho gaga hoe maninona no feno ny 15Go satria io 15Go io dia ho an’ny kaonty Google rehetra (sary, drive, gmail etc). Mety ho vetivety, noho izany, dia ho feno io raha tsy hay tsara ny mandamina ny zavatra tokony hotehirizina. Koa raha feno ny 15Go dia ito misy vahaolana kely azo atao izay tsy haiko na ara-dalàna mifandraika amin’izay fitsipik’i Google na tsia :-). Tsy tompon’andraikitra aho raha sendra misy olana aterak’ity fikafika ity.

Gmail

Amin’ny ankapobeny dia izao no nasaiko natao. Manokatra kaonty gmail vaovao hatao tahiry dia sintomina miditra amin’io kaonty io avokoa ny email amin’ilay boaty feno.

1. Mamorona kaonty gmail vaovao (azo atao hoe [email protected]) satria mety mbola hisy ny tahiry_2 sns, ary ny anarana, ohatra, dia anarana hitehirizanao azy.

2. Miditra ao amin’ilay kaonty vaovao dia mandeha ao amin’ilay hoe “Paramètres” (na settings na impostazioni). Dia mandeha ao amin’ny “Comptes et Importations” (Accounts e importazioni). Dia mampiditra an’ilay kaonty feno eo amin’ilay hoe “Importation du courrier et des contacts”. Angatahany ao ny adiresy email amin’ilay kaonty feno. Apetraka ny email dia avy eo angatahany ny tenimiafina sy ny mombamomba ny kaonty feno hotrohana. Ny safidiana dia hoe pop.gmail.com miaraka amin’ny port 995 ary mampiasa ssl (jereo ny sary eto ambany)

sary_gmail_feno2

3. Tsy misy kitihina eo amin’ny pejy manaraka satria tiana hofafaina izay hafatra voafindra avy amin’ilay kaonty feno. Mety haharitra hatramin’ny 2 andro ny famindrana hafatra raha feno ny 15Go.

4. Rehefa tapitra ny famindrana dia mila ajanona. Izany hoe mandeha indray ao amin’ilay kaonty tahiry dia miditra ao amin’ny “Parametres” toa ny teo aloha. Dia ajanona ilay “importations”. Raha tsy izany mantsy dia tsy hisy mailaka ho tonga intsony ao amin’ilay kaonty feno teo aloha fa izay tonga dia trohan’ilay kaonty vaovao daholo.

Rehefa vita io dia afaka miditra amin’ilay kaonty tahiry rehefa hitady ny hafatra voaray taloha.

Leave a Reply